You are here: home > Vetso

Ela be - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

ELA BE

Ny Mpino efa niondrika hatramin’ny ela
Izy hatrizao, mbola iny manjeny !
Izy hatrizao mbola iny miserana !
Mandalo ny vavaky ny olona mino.

Ny Mpino efa ho avotra tsisy tavela
Izy hatrizao, mbola iny , mania !
Izy hatrizao, mbola mahatety ditra
Mandalo ny anatra odiany hadino.

Ny Mpino efa miezaka miantso ny anarany
Mikiry hitatao ny fara –fitia !
Mikiry hivimbina ireo teny mamy !

Izy sahirana miahy ny tantarany !
Izy sahirana mbola mania !
Izy aza angamba, hatory eto an –tany !

‘zahay sasa –miandry
Izy ela be !

Izy tsy haiko
Fa izaho ‘ndeha handeha !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambodivoanjo – AMBOHITRIMANJAKA, faha 17 Aogositra 2001

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha