You are here: home > Vetso

Elo - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

VOAFITAKA

Toa izahay mpamangy foana ihany
No azon –doza sy voakiana
Ho mpanadala zaza mianatra;
Nefa tokony ho hainao,
Fa ny zanakao variana
Milanjalanja kilalao
Mitety namana sy tapaka !
Fa ny zanakao variana,
Variana saingy tsy hitanao !
Ka ‘zahay mpamangy foana ihany
No voakiana sy voateny
Ho tsy mahalala izay hatao !

Fa ‘zahay matoa mamangy
Dia mamangy noho ny fihavanana !
Mamangy noho ny maha –mpinamana !
Mamangy koa  raha mbola manana…
Ka tsy tokony hosakanana !!!

Ny  famangiana ve dia sakana
Tsy hahavitàna fianarana
Raha tena zaza mianatra ?
Fa ny zanakao angamba
No mihemotremotra an –daharana…

Ka aza izahay no omena tsiny
Fa iny zanakao iny

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo

Sokajy : Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha