Fa ahoana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA AH0ANA ? ( ho an’i TSIHOARANA POETA )


‘zao sombin –teny izao
no nosoratako ho an’ise,
fa tafahoana indrindra
Izahay sy I Neny omaly,
Ary tafaresaka !
Taitra aloha I Zoky e !
Niahotra fiteny !
Tsy taitram-bara –datsaka
Na raho – nisalondo ;
Tsy lanitra nitresaka !
Fa taitra tena taitra
Amin’ny fahendren’i Neny !
Taitra FA AHOANA ?
Fohy ny resakay,
Nefa nahafintina
Ny ho valopolo taona !

Ka izao r’ise ry zandry a !
I Neny izao matoky
Ny fombofomba rehetra
Fitaizako an’ise,
Ary manantena
Sy mino hatrany hatrany;
Fa i SARONDRAHONA iny
Matotra ho zoky;
Ka sao dia isika indray
No hamadika an’izany…
Manjary hananan-tsiny !

Ny oranao raha mody,
Kendreo tsy ho tratry haizina
Hamofompofona alina;
Fa izay tsy tian’i Neny !
Dieny zaza ise
Dia aloe atoro tsara
Ny tena fahendrena
Sy fanajàna teny
Ho fitondràna tena :
“Aoka ise ho malina,
Fa efa maro ihany
Ny zaza toa an’ise;
Niampita fa tsy tody…”















Farany ry zandry,
Mamela teny I Zoky,
Fa ny andro ihaonana eto
Hiarahana miria
Tsy ifanomezan –toky;
Satria I SARONDRAHONA
Hain’ise ihany
Fa vonombonon –dia
Hikatsa –pihariana
Hiroso mba haranitra !
Ka ity no teny farany
Apetrako amin’ise :
“na hisaraka aza isika
Tsy manan-tahotra aho
Raha hitanao ny lanitra”

Tsy asiako avakavaka,
Fa ny isan’andronao
Dia aoka ho feno vavaka !
Aoka ianao hivavaka

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
2345 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154