Fety...tsy fety (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETY…TSY FETY

Tsy inona akory,
Na nankalazaina ny fetin’ialahy
Na navela amin’izao ;
Toa nitovy ihany !
Sahala tanteraka:
Ialahy indray no sasatra
Namisavisa ny rivotra hitsoka
Sy ny handritra ny andro
Ka farany reraka !
Tsy hitako mihitsy
Izay naha – andro hafa
Ny andro androany:
Tsy nisy fiovàna!
Fa izaho nahatsikaritra lesy ry zandry,
Toa marina ihany ny tenin’ialahy hoe:
“MANGINA I TANANA!!!”

Olona firy
No mba nahatsiaro ny fetin’ialahy
Ka mba niarahaba ?
To vitsy dia vitsy !!!
Ireo tsy noheverina!
Ialahy indray no sasatra
Namalifaly ny tenan’ialahy
Sy ny olon –drehetra !
Fa fomba atsingerina !
Tsy hitako mihitsy
Izay naman’ialahy hoe :
“ZATO SY ARIVO”
Sa samy niery ?
Tsy hoe manakivy aho lesy ry Zandry
Fa hitako ialahy
Isaky ny fotoana mba sendra andro iray :
Dia tena very

Ka tsy tsinin’ialahy
Na mbola hankalaza ny fetiny ialahy
Na hivela amin’izao;
Tsy misy kabary,
Ary tsy misy tery !
Fa ialahy no tsy zatra mitokona an –trano
Raha tsy mitia sy mamita adidy
Ka sempotra irery !
Tsy hitako mihitsy
Izay hihazakazahan’ialahy
Ho any aminy…
Mila tsy hampino !
Mafy amin’ialahy ny fiatiavana zandry :
‘Zay aho lesy vao miaiky an’ialahy hoe :
TSY MAHAY MANADINO a !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
810 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106