You are here: home > Vetso

Firaisan-kina - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

FIRAISAN –KINA

Saika vitako ihany
Ny hanakombom –bava
Tsy hilaza n’inona n’inona !
Toa saika vitako  aza
Ny handrava an –kitsirano
Ny fihavanantsika
Hanjary ho tsinontsinona;
Hatramin’ny nanenken’
Ny saiko  manontolo
Fa “TIA TENA IANAO!”

Rehefa ianao no miady
Dia mahay mandresy lahatra
Fa tokony hampiana;
Rehefa anay ny tolona
Mampirara –dinitra
Sy mampikotra –nify,
Dia vitanao sakaiza
Ny mitazana ohatry ny olona :
Ny antsoko efa an –tenda,
Ianao ery mangina...

Ka diso ihany isika
Toa niarakara –poana
Sy tsy nahalala fomba;
Fa tsy izany mihitsy
No hoe : FIRAISAN-KINA !
“Mifaly rehefa faly,
Fa mba midodododo
Raha sendra fahoriana.”

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57 )
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty, faha 08 Jona 2003

Sokajy : Fiaraha-monina

Hametraka hevitra

Midira aloha