Fotsiana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOTSIANA

Dia maty moa sakaiza
‘reo olo –menavazana !
Ireo nisoron’aina
Nitaky fahafahana !
Ireo nanao vivery
Ho an’ny Firenena;
Ka fongana sy lasana !
Maty ireo sakaiza
Dia nasitriky ny fasana,
Fa maty hatreo koa
Ny FITIAVAN –TANINDRAZANA

Tato aoriana mantsy
Ny zava –nisy sisa,
Dia ronono an – tavy
Tsy nisy nosotroina :
Noentiny hoe : “HIAKATRA”
Vao mainka nafotetany
Sy niha –nisavoritaka !
Nasainy nanantena
Fa mainka koa voafitaka !
Ny RESA-PAHAMARINANA...
Toa fampandriana adrisa !

Nanjary niova ho henatra
Sy fandatsàna tena
Ny hetahetam –po
Hitaky sy hitolona !
Fa hay zana –baratra
‘ty zaza novelomina,
Tsy toy ny namafazana…
Ka very ianao sakaiza
Raha ho an’ny tanindrazana !
Very koa ianao
Raha ho an’ny Firenena !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
29 Martsa 2003
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1086 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117