Hafatra fanampiny (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA FANAMPINY

Ary rehefa hitia,
Fadio ny maka tahaka !
Fadio ny mieritreritra
Handia ny lala -maosin'
Ny namanao nitia;
Ialao ny fahazarana
Manao dika vilana
Ny Hasambaran' Olona :
TANDREMO SOMBINAIKO !
Fa io Fitiavana io,
Tsy azo atao Tsinajery
Satria TSY RAIKIPOHY,
Ka 'ndeha dia manorena...
Forony ny hasambarana
Katsahinao sy izy,
Ka raiso hoe EDENA
Ny tany manontolo
Fafazanao antsa,
Jofoiny kalo mamy
Ary arovy tsara
Tsy ho tamin-tsy tia.

Ka rehefa tena tia,
Aza saro -piaro
Nefa, aza baranahiny!
Ary indrindra indrindra:
Mahaiza ianao mandefitra
Mba hitsotràn'ny fony !

Ampy angamba izay
Ka dia SOAVA DIA:
"Tsara tso -drano
Fa 'ndao ianao mitia !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1416 2
Mpakafy: sarondrahona - Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146