Hafatra tsotra (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA TSOTRA
(Ho an'i LALAINA, ao ANTANAMBAO, antsinanan'i TALATA VOLONONDRY - MASOMANGA

Anjaran'ise ny mametraka hoe :
Tokony hiroso sa tokony hihemotra ny aminareo !?
Ise no hisafidy;
Fa n'iza hisakana, n'iza hidrikina,
Dia mbola an'ise ihany ny teny farany :
"Ise no hiaka -peo !"
Hitako tamin'ny fiarahantsika
Fa ise tsy mahavita,
Raha sady mikimpy no 'ndeha hitsambikina
Ary io tsy voarara, na iza handidy
Na iza hametra...
Fa ho tafaray sy hiroso ianareo
Raha ise no anjarany !

Anjaran'ise ny mitsako ny hoe :
Ahoana sy ahoana ny fikasakasan'ny fianakaviana ?
Rariny ve?
Kanefa tsarovy , fa ny Tokantrano
Ilàna ny tenin'ny Ray aman -dReny,
Ilàm -pirariana !
Tsarovy foana, na ho aiza na hoa aiza,
Izao teniko izao :
"Ny fanambadiana ? - Miandry TSO - DRANO !
Voarary soa io vao afa -mandeha,
Vao afa -mizotra..."

Izay no hafatrafatr'i FENO, ry Zandry,
Teny nomeny:
Hafatra mety hisainan'ise...
Fa hafatra tsotra


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Tao Manankasina Anjozorobe - 2003
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1208 2
Mpakafy: Malalason - sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133