You are here: home > Vetso

Hariva - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

HARIVA

Dia iny hariva iny ve
No hany hariva tena farany
Nahitanao ny tavany ?
dia lasa aiza izy avy eo ?
Sa tsy fantatrao ny havany
Mba mpitsidika anareo
Fony mbola tsisy ny ady?
Ary hariva nanao ahoana
Tamin’izay hariva rehetra
Iny takariva iny ?

Fa najavona ny fony
Dia adinonao ny anarany,
Dia tsy sitrakao intsony
Ny mbola hanaiky indray ho vadiny
Ny hiangola ho malalany !
Fa vitanao ny nanadino !
Ny zanakao anefa ireto
Mifendrofendro, mahonena
Mifangidotra amin’ny tadiny.

Ny DINA  vita rehetra koa
Dia rano vaky am –batolampy
Sy rivotra nahazo havoana :
Nikoriana dia nanjavona,
Ary raraka dia very !
‘zay hilamina eny foana
F’izao mbola adidinao :
“aoka ho matinao porofo
Ny honjohonjon’izy irery
Hoe aiza marina izy ?”
Ary aiza ho aiza koa
Ny mety ho avin –janakao
Sy hiafar├án’ireto ankizy ?

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo

Sokajy : Fisarahana

Hevitra mandeha

NyKanto (22/06/2004 14:53:08)

Mampalahelo koa izany an! ... mahalasa sainy ny sombim-piainana tahaka itony!
Ny Kanto.

Hametraka hevitra

Midira aloha