You are here: home > Vetso

Hetraketraka - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

HETRAKETRAKA

Ny ahy ny fiainana
Tsy resa-jaza
Fa lalana matotra ;
Izaho tsy misangy
Ny aina ho lalaovina
Na namako aza,
Fa izay azon-tady
Na mahery aza
Tsy maintsy voafatotra!

Ny ahy koa ny hevitro
Ny ahy tsy mipody:
‘zay ny ahy dia  izay !
Manomboka hafĂ na
Ny antoko hifanandrina
Ka mety ny mody,
Sao hoe hangina
Kanefa  hanenina mandrakizay!

Indrindra indrindra
Mba tsarovy tsara
Ny dina napetraka;
Fa ny fiainan-drehetra
Tsy maintsy misoratra
Hanjary ho tantara;
Fa izao mba hanaja
Nefa ianao
No dia mihetraketraka.

SARONDRAHONA  RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA  Antananarivo
Beronono –Anjozorobe, faha 01 jolay 2003

Sokajy : Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha