Hotsaka (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOTSAKA ( Ho an’i Andry Serge RATSIMBAHOLISON)

Iny rahona iny no tiako hotantaraina
Satria mandalo anao ny hariva mamanala:
Mangeroka tsy tanty !
Mandena ny fanahy !
Atelinao ny ngeroka tsy nirian’ny saina,
Sy fahoria –mangidy,
Sinaraka amin’ny maty.
Varavaram –bato no sisa hovantaniny
Any ambany rangolahy !
… fasana mihidy !!!

Fa ny kalokalo sy ny hira nohiraina
Nanjary toa firotsaky ny vaingana-tomany
Mamonto ny ati –fo !
Mandena ny tontolo !
Fa kotsakotsan’erika ny sombin’ny maraina
‘zay nantenain –kitaratra
Sy nantenain –ko to.
Ny voary rehetrarehetra no miaraka milofika
Sy indray mikainkom –bolo
Fa… dona ny any Ankaratra !!!

Tomany ianao Sakaiza fa lasana any i NENY
Nandao anao anaterany, nandao izay tsy foiny;
Onena anao ‘zahay !
Miondrika mangina !
Ka tonga mankahery sy mba mitondra teny :
“Mahaiza indray mitraka
Fa herinao ny Ray,
Na sarotra ekena sy mavesa –danja aza,
Dia toneo ny fahoriana;
Fa mbola eto isika
Hiaraka hizĂ ka !!! „


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
20 Febroary 2003
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
905 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103