You are here: home > Vetso

HOY IZY ANONA - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

be ny resaka mandeha
fa tena mampadisadisa;
Izaho mahalala tsara hoe
ny volana efa kely sisa,
nefa aleoko manontany:
Fa mba manao ahoana loatra
ny fomba fiainanao any ?
Tena mahavalalanina!
Tampenako ny sofiko eto*
Raha vao miainga ny "hoy izy anona"
Fa mahamenatra ry zandry!!!
Toro-hevitra tsotsotra
izao alefako any izao
Fa sao ianao tafandry mandry.

Ialako tsiny ihany aloha
ary aza hikakaizana ahy;
Tena anaovako,"azafady"
Tsy hoe teniteny lava
fa iangaviako raha azo atao
"Aleo ianao manambady !"

Mirefarefa ny masoandro
Ka aza dia mangataka andro


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Tél: 032 62 897 51

Sokajy : Ady, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha