Ianao ihany (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO IHANY

Nanoratra ady rima
Sy lahateny firy
Ireo POETA ireo ?
Nikatsaka isan’andro
Ny soa sy makadiry
Ho lafatra aminao !
Ary impiry nanovaova feo ?
Nefa ve sakaiza
Nandaitra hatramin’izao ?

Toa izy indray aza
No nahazo loza,
Ho mpiantsa oram –baratra
Sy kalo mitoreo,
Na entin’ny vinany !
Nefa izaho mitaratra
Sy mba misaina ihany,
Fa ianao no nosoratan’ireo POETA ireo :

Jereo ny sarin –teniny
Fa dia ny sarinao !
Jereo ny ranomasony,
Tsy ny olam –piainanao ?
Ary ny andri –tsorany
Dia ny endrikao !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
871 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163