Iraisana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRAISANA

Manoratra ho anao aho
Manoratra ho antsika ;
Fa nihodin –ko tantara
Tsy lefy mandra – maty
Ny fakan’ny fihavanana ;
Manao izao teny izao aho
Ho toky tsy mipika;
Fa tsisy maharara
Na hanakiana ho raty
Ny vona maha – MPINAMANA

Mahatsiaro anao aho
Mahatsiaro antsika;
Fa tonga mitamberina
Sy vory mieloelo
Ny lasa manontolo !
Dia mahatadidy anao aho
‘Lay zatra misariaka,
Fa angamba mitsingerina
Ny fety sy alahelo
Niarahana nikolo.

Mankahery anao aho
Mankahery antsika;
Fa ny lalan –tsarotra
Asakan’ny fiainana
Izao mandrevo izao !
Miteny kely anao aho
Mba hahatafita antsika
Fa mila ady varotra
Sy herin’ny fisainana
Izay rehetra atao !

Mivavaka ho anao aho
Mivavaka ho antsika;
Mba samy ho tafita
Sy hahazo tso –drano
Avy amin’Andriamanitra !
Mampandre anao
Ka miezaka mikiaka;
“Fa toa iaraha-mahita
Ny loha-fararanon’
Ny fitsaran’ny lanitra !!!”

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
804 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145