You are here: home > Vetso

Ivo - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

                  IVO
"Tsy maintsy manoratra ny tenako, raha mbola misy ny Mpamaky" DAVID RAZAFINDRAKOTO

Ny ain'ny soratra dia ny Mpamaky !
Ny Mpioty ny vokatra nakarinao
Ka dia fararano;
Ireo no Mpijinja !
Ireo no Mpitaky !
Ireo no Mpivoy ny lakanao
Tsy hisitrika an -drano.

Fa  inona marina moa
Ny Mpanoratra tsisy Mpamaky?
Ary inona koa no teny hovakiana
raha tsisy ny soratra ?
Foana avokoa !

Tsy maintsy ny soratra
No Ambohipihaonan'
Ny Olona roa

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha