Mandriana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDRIANA

Ny fiainan –drỳ
Tsy mitovy amin’ny fiainana iainako atỳ
Fa atao hoe : « morainy ! »
Angamba ny alina ifametsoana
No mba itovizana !
Fa ny eto an –tanàna :
Tongotro sendra voafingana fotsiny
Dia hita handihizana
Olona sendra voadona tsy nahy
Dia lasa vavàna .
Ianao any tony fa izaho sakodiavatra:
Lalako niaka –tsy nidina teto
Tsy vakiko intsony.

Indrỳ mbola sambatra
Fa ny itolomana sy mampahory
Dia ny adin –tsaina;
Fa izaho ity lahoana amin’ny olon –drehetra;
Ny alina iafenako anatin’ny aizina,
Tsy sitrako haraina.
Miezaka hitsiky,
Kanefa vao mainka miha –bongo ny maso,
Alentik’adalo.

Ny adin –dry,
Tsy mitovy amin’ny ady atrehako aty,
Fa atao hoe : “karazany!”,
Ny ahy izao namana mba nitarainana,
Tonga nandatsa, nanjary fahavalo,
Ikakakakàny aho raha sendra tazany.

Tokana ny ady kanefa tsarovy
Fa ny onjam –piainana akỳ tsy mitovy a!
Mandriana ny atỳ !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty- Antananarivo, faha 25 Jolay 2003
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1051 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
andriary ( 29/12/2004 11:18)
Taha maito!tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161