Mangidy (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANGIDY


Ny ohatra izao indrindra
No efa zavatra tsy tantiko;
Rehefa tena injay
Ka hivalona ny taona :
Hipody ny tantara nivalona fahiny :
Mangotsoka ny foko !
Marary ny ao anatiko !!!

Ny ohatra izao indrindra
No efa hevitra tsy matiko
Rehefa sendra fety
Ka isika no tsy mihaona;
Mihodina ato an –tsaiko
Ny endrikao iny,
Misamboaravoara
Ny embona tsy tantiko

Ny ohatra izao indrindra
No efa hevitrao tsy satriko;
Rehefa Asaramanitra
Ka ravoravo ny olona,
Izay sasa –miandry foana
No sasatra mandiny :
Izaho adino aty,
Ianao tsy tratry ny atriko !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
885 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169