Maotina (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tao an–tsainao angamba
Fa ireny hoe : “POETA” ireny,
Tsy fiadiana velively
Na vavàna toa adala
Rehefa sendra anao tsy zakany !
Fa mangina fotsiny izy
Ary maka saina kely;
Dia ianao no hosoratany
Ary ianao no hotantarainy
Amin’ny kalony onena :
Olo–maotina, Sakaiza,
Ireny hoe : “POETA” ireny
Fa ianao no tsy mahatsiaro tena !!!

Sao hadinonao koa
Ny fahamaotinan’ny POETA,
Fa aleony lavitra aza
Very henatra aminao
Mpamiravira ny tantarany,
Na miondrika mangina,
Toy izay hamaly anao !
Tena aleon’ny POETA
Teny tokana no hambarany,
Ary teny tsy valiana!
Mandinika izay lazaina
Ireny hoe : “POETA” ireny
Fa ianao no tsy mahatsiaro saina !!!

Ireny hoe : “POETA” ireny
Raha sendra andro sarotra
Dia ny fahendrena ny azy
No fihininy ombieny
Sy vitany hiadiana varotra,
Fa tsy fahakiviana akory!
Izy mankahery tena
Na seranan–drahona aza;
Ary izany no mitory
Fa mahery ny POETA !
Izy tsy mivazivazy
Amin’ny resaka fiainana
Fa ianao no tsy menatra azy !


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
1665 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106