Meteza (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
METEZA

Ny fifankatiavantsika
Raha ny amiko manokana
Dia miaina an –kilahila ;
Toy ny trano tsy mifototra
Amin’ny marin –tany iray :
Rindrina mivaralila !
Na fiara handalo tevana
Sy mizotra amoron –kady,
Entina Mpamily roa;
Valalanina aminao aho
Fa mifankatia isika
Nefa toa kitoatoa.

Maminao tokoa ny any
Ka tsy foinao ny aty;
Dia atambatrao tanàna;
Fa mihevitra aho hoe :
“Sao dia izany sombinaiko
Ny mitia an –kadalàna a ?”

Tia anao tanteraka aho !
Fa noho ianao mitan –droa
Dia ny foko indray no mihafy;
“Nefa hatramin’izay nitiavana,
Dia tsy mbola nisy dera
Nasamboady mpampirafy!”

Ka raha azonao atao,
Dia meteza sombinaiko
Mba ho tiako irery ianao !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomanoina – Anjozorobe, faha 09 Jolay 2003
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1005 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159