You are here: home > Vetso

MIANDRY - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

sombin-taratasy
avy amin'ny resatsika
izao lazaiko izao;
amafisiko eto
iny sangisangiko iny
fa "TIAKO BE IANAO !"
tiako ho ahy irery
kanefa indray raha hoe
atambatrao fitia
dia aleoko, aza ,very

izay ihany anie e !!!

miandry valiny aho
na ho haingana na ho ela
fa misaotra be dia be

ataovy vetivety
ny valiny raha mety

izay fa mandra-pihaona


SARONDRAHONA  RAMBOLAMANANA

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha