Miharo (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIHARO

Raha any am –pitsaboana
Anatina Hôpitaly
Mitsabo rofy ianao;
Mahita ireo Mpitsabo
Somebiseby lava
Torovana sy sempotra.
Dia mety sahy hilaza
Tsy mihambahamba akory
Fa TAPITRA MARARY
NY OLONA REHETRA !

Ny sainy anefa izao
Hipoka hasambarana
Sy feno fifaliana;
Mananten-ko sitrana
Anatin’ny fotoana
Sy ny ora hifangaro :
Ary mahavariana
Fa ireo marary hitanao ireo?
Ampahany amin’ny maro !!!

Raha eny an –dalambe
Mamakivaky tsena
Sy mikoràna ianao;
Mahita ireo vahoaka
Sempotra horakoraka
Sy miramiran –dava,
Mitsiky tsisy fetra.
Dia mety hanjary hiteny
Tsy misy fanahiana
Fa himpo-kasambarana
Ny olona rehetra !

Ny sainy anefa izao
Tototry nyn olana
Mamatotra ny fiainany,
Fanina mangina
Sy alofik’adin –tsaina :
Sasatra mitolona.
Ary hitantsika
Fa ireo salama tahaka anao ireo
No ankamaroan’ny olona

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA Antananarivo ( 033 14 253 57)
--------
Rohy:
727 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156