Misavika (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISAVIKA ( Ho an’i Zandry : IAKO)

Misavika an’ise ny kalonay POETA
Fa nifanojo zotra tsy nantenain –kombàna
Ny ora sy fotoana !
Dia eto isika izao no manalama feta
Sy miezaka mitsotra !
Tsaroako foana ise, na ahoana na ahoana !

Misavika an’ise ny tsiaronay POETA,
Fa mifanandrify ny sangy marontsika
Sy ny fitantarako :
Na manina aza ise, tone ka mahareta
An’erika manify !
Fa ise na aiza na aiza,
Tsaroan’i FENO ry IAKO !!!

Midaroka an’ise ny sanginay POETA,
Fa samy mitsingerina ny andro sy ny ora
Niaraha –nisariaka !
Dia mifanosona eto ny fiainana sy lenta
Tsy andriko hotaterina !
Tsaroako i BERONONO
Niriharihavantsika !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
994 2
Mpakafy: sarondrahona - booboo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161