Ngeroka (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NGEROKA

Boboka hatramin’ny tsiky sakaiza
Rehefa mandò indray ny rahona mainty
Ka kotsa ny fo !
Arimorimon –tadio indray miserana
Ny angolangola sy ny hanitra anaty
Nampidoroboka ny andro taloha.
Refirefeso ny hatraiza sy hatraiza
Lany nodiavina teto hatrizay;
Lanin’ny kalo !
Tsakotsakoy koa ny dina rehetra
Natao hofihinina mandra –pahafaty,
Mba hitondra anao ho amin’ny fahatsapàna
Fa hay isika ireto ka olo –mandalo :
Olom –boafetra !

Dia izao aho vao mihaiky
Fa hay moa Sakaiza
Ny fisarahana ho an’ny rehetra ?
Hay tsisy mirana tampon’ny faly
Natao tsy ho safotry ny anjoretra ?
Hay ny tomany tsy maintsy miraraka
Tsy misy mahaloa na tsy mahaloa hetra ?
Dia izao aho vao mihaiky !
Izao aho vao mino !
Fa hay ny fiainana manan –dalàna :
Ianao mpisafidy
Fa izy mpametra!

Hisaraka isika ka mandra –pihaona
Hionona toy ny irery rehetra :
Hionona , nefa hionona ahoana ?

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambondrona, faha 18 Aprily 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1118 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
Malalason ( 09/02/2007 08:43)
Hionona, nefa hionona ahoana...
fa i Sanrondrahona misavoamboana
tsy hita ho aiza
tsy hay hoe nanao ahoana...

Malalason & Nest
hihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144