Niserana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISERANA

Raha mba tafahaona isika
Nefa hisaraka sahady,
Dia ny saiko manontolo
No tereko indray hanaiky,
Fa izay no fandaharana !
Ary isika anie ry Zandry
Efa niezaka nikiry
Hihaona sy hifampitady e !
Avy any Beronono aho
No nihaza ilay tanànanao
Na alavitra iny na akaiky !

Nihaona vetivety isika
Dia hisaraka ela be,
Noho ny velirano tsotra
Samy hiatrika fiainana :
Lehilahy mizaka adidy !
Ary isika anie ry Zandry
Tsy afaka hiara –mitoetra
Na hiaraka handeha e !
Ny tiana tsy hiraisa –monina !!!
Ary ny asa fivelomana
Tsy azontsika hitarainana.

Handao anao angamba i Feno
Ka hametraka veloma :
Mahereza ise ry zandry !
Andriamanitra tsarovy
Amin’ izay atao rehetra :
NY FIHAVANANA E ! TDREMO !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Teny ambony fiara ho any Anjozorobe, faha 18 Aogositra 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1155 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148