Noely (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOELY

Raha toa , sombinaiko
Heverinao hoe :
Ireo kilalao miparitaka ireo
No krismasy;
Dia hevitra diso !
Endrika ivelany fotsiny ireny
Natolotr'ireo fombafomba vahiny
Hianaran'ny Gasy

Ianao aza taitra amin'ny vahoaka be
Raha ny tranombarotra be fanomezana
No ifamenoana;
Fa ireny no fomban'ny mpanankarena
Entiny tena hideraderana
Sy isehosehoana !!!

Tsy hoe tsisy vola aho miteny an'izany
Fa raha fandaniana amin'ny rariny isika
Mba manana ihany;
Manana i Dada

Fa ny "Noely"
Dia fankalazana "ilay zazakaly"
Sy "ilay famonjena"
Fa hoe : "Amintsika ilay Andriamanitra nanolo -tena !"

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
4080 1
Mpakafy: sarondrahona
Hevitra mandeha
vetsoko ( 29/12/2004 19:45)
ho noely hatrany anie ny androntsika
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157