Ny zanak'olona (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZANAK'OLONA
Raha mba mamy ihany Zandry
Ny fiarahana hatrizay
Sy ny antony ifankatiavana;
Ary raha mba tian'ise
Ny hampanara -dia anay
Hilahatra, hitandavana,
Na irian'ise hananana
Ny fahatsiarovana an'i FENO
Dia izao bedibedy izao
No ataovy folo an -tanana:

"N'inona n'inona adilahy
Sy fifamaliana kely
Any an- tokantrano any :
Fadio ny mikasi -tanana !
NY ZANAK'OLONA, TANDREMO !!!"

Hampakatra azy ise dia hiroso
Ka ito ny ahy mba teny kely :
Ataovy an -tsaina lalandava
Sy mba diniho foana zandry,
Fa ny "Olombelona" tsy "Anjely";
Aoka aloha izay hazava !
Fa sao dia resa -tondro -molotra
Sy siosio mba henoheno
No hamonoana Andefomandry,
Na hampodiana ZANAK'OLONA.
Ataovy fetry ny FITIAVANA
Ny fara -fiantran'ise
Sy ny fara - fandeferana;
Ka izao no hafatro ry zandry :
"Raha sendra lavo izy, hareno !!!"

Fenoy soratra ny lalana
Sy ny takelaka rehetra,
Ataovy tototra eny :FENO
Fa ny ahy ny rahona eny ambony
No hovontosako valopy
Sy taratasy ho an'ise;
Ka vao saron -drahona iny,
Dia tsarovy izaho onena
Sy mibedibedy hoe:
"NY ZANAK'OLONA E ! TANDREMO !!!"

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
2611 5
Hevitra mandeha
sejianis ( 13/04/2004 15:29)
tsy azoko tsara hoe ho an'iza no nanaoratan'i sarondrahona ny tononkalo.
Ny zv tsapa koasa dia ny halalain'ny hatsaram-panahin'ny mpanoratra eto, ka maha-te hiteny hoe : "raha mba izaho lahy no misy mananatra @ teny feno tambitamby toy izany e!"
Tohizo hatrany sarondrahona fa mahafinaritra a!
hery ( 13/04/2004 19:58)
Tena tononkalo feno anatra tokoa aloha e. Mahaliana.
sarondrahona ( 18/05/2004 10:30)
Manoratra ho an'ny Mpifankatia aho eto, ary indrindra fa ho an'ireo izay vao hanorin -tokantrano.
Misaotra manokana an'i Sejianis sy Hery aho ny amin'ny fahatsapany ny halalin'io hafatra io.
Misaotra anao ihany koa.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Malalason ( 01/12/2004 10:10)
zoky malalan'ny zandry tsy foiny ihany e! tsy mahavolana intsony aho fa mihoatra ny tokony ho izy ny anatr'ise (ho tandremako izy raha mitandrina ahy)
R. JO
sayyuk01 ( 19/12/2016 10:47)
Mahafinaritra be zoky ilay hafatra a ,misaotra e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153