Porofo ( sady ho fahatsiarovako ilay beronono tanànako (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POROFO

( Ho setrin’ny Tononkalo nosoratan’i Dadan’i FI ho ahy hoe : « DOSSIER BERONONO » )




Matimatiny ihany ise raha nisaina vetivety
Hoe : « Ilay Poeta iny,
Asavaonan –drehareha hiedinedina an –gazety,
Ka hibahana Onjam –peo
Eo am –pitsenàna ny alina,
Ny hodokafana no tiany ! »

Fa jereo ny fifaliany :
« Matimatiny amin’ny taniny
Tsy mba misy Mpanazava !
Namakivaky ny aty ala
Hoe mitabataba lava !
Tsy aman –defona, tsy basy ;
Namaky lohasaha sy havoana.
Tena sahy mitolona izy
Niho –potaka aman –jofo :
Nefa dia Poeta foana ! »

Nino haika angamba ise fa nolemana ho larony,
Hay ka ilay Poeta mihitsy
No nanentina tantely tamin’ny tany be ronono ?
Efa tapa –bolana izy tsy nitsahatra nandeha :
Lany tany kirarony !!!



SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA ANTANANARIVO
03 martsa 2004/t@ 2ora 15mn tolakandro
Biraon’ny Fokontany ANTOHOMADINIKA AFOVOANY
ANTANANARIVO
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1214 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151