Raosijamba (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOSIJAMBA

Arahina fotsiny ny ara –dalàna
Fa tsy hita izy ity,
Raharaha manahira !
Ianao FOKONOLONA indray no mangina
Fa sendra ny tampoka:
Mihinan-tsy fidiny eto an –tanàna
Fa sendra izay nifin’amboakely tiana,
Ka tsy afa – manoatra,
Tsy voky fa ampoka !
Manjohy lalan –tsokina nanani –bato
Fa tsisy hamikirana.

Rehefa tambolo novolavolainy
Dia hanina fotsiny;
Atao teli – moka !
Fa ianao, hono, refona an –tany foana
Tsy manan –karapaka:
Ary ny sainao vahoaka, tsy sainy !
Tsy ho fanahy iniany, na ahoana, na ahoana.
Ianao misafidy !
Izy manapaka !
Tany am –boalohan’ny sezany ianao
No main –dokaloka !!!

Tsy fantatro angamba
Na izaho no vavàna,
Na ianao mihitsy, aza, no hiova fitàna;
Raha “Ben’ny Tanàna” ao i RAOSIJAMBA,
Be ny tsy tana !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty, faha 26 Jolay 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1769 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149