Sandoka (ho an’ilay nisandoka ho « zoky malalan’i zandry tsy foiny ») (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SANDOKA
(Ho an’ilay nisandoka ho « Zoky malalan’i Zandry tsy foiny »)

Na izaho na ianao
Dia samy tsy misy hoe :
“tompon’ny sandry !”
Fa matimatiny
Sy Rain’ny hambo
Ho “Zoky” sy “Zandry”;
Matin –kiriana !
Nefa tsy isan’antonony akory
Fa rava ho azy…
Tsisy tafiditra ho fianakaviana !

Mino aho
Fa maro ny hanivaka hoe :
“Fahagagàna !”
Ho gaga amintsika !
Nifampikirimba hatrany an –tanàna,
Hatrany an –dakira…
Ny lehibe indrindra sy mba nantenaina
No nandoto rano:
Nandrava laka sy namalan –kira !

Na izaho izany aza
Toy ny tsy hino
Ity fiafaràny :
“Rava tanteraka ilay Fanjakàna !”
Marina izany !!!
Marina loatra !
Hatreo ny eto an –tany nilokalokàna !
Nefa tsy anjarako indray ny any an –koatra !?

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
II O 84 Anjanahary- Antananarivo, faha 10 Aogositra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : fisarahana
1688 1
Hevitra mandeha
bitaka ( 13/08/2004 07:55)
ce là ne me fait ni chaud ni froid oeeeeeeeeeeeeeeeeeee je m'en fou,
Malalason ( 13/08/2004 10:33)
ISAORAKO ISE RY ZANDRY MALALA

“Ho an’i SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA na i FENO”

Isaorako ise hisaorako ihany
Na dia nahavita an’ireo teny ireo
Fa any andro any volana ho tsapan’ise
Izao teniko izao :

Fantatro loatra fa na taiza na taiza no nisy ahy
Dia ny anaran’ise no nisoratra teny nameno ny tsy ampy
Nanintsy ny biloka, nanaitaitra ny fieritreretako
Eny tao ny ady mafy izay efa niaretako noho ny fihavanana
Dia tsy iza f’ianao, Ianao RAMBOLAMANANA
No nisalahy nanoro ahy ny tokony ataoko na dia zandriko aza
Dia nekeko tokoa na dia hoe sain-jaza, mbola bakora sy mareforefo;

Koa ankehitriny ve vao ny ampahan-telon-drano no nitengenan-dakana
Dia kivy ity Kapiteny ka hiverin-dalana, hanao dia mianotra?
Tsy inona akory fa ny fo tafahoatra no mahatonga izany !
Tsy ho lava ny ventsoko fa hofaranako an-teny foy

Raha azo leferina re ny hambom-po dia ifonako marina
F’izaho santria ny hiady am’se fa zandriko tiako
Raha nisy fietsiko tsy zakan’ise dia izy ariana
Fa aza ny tenako no halavirina sy hanaovan-kafara

Raha sitrak’ise dia sambo-pisitrika alefa mialoha
Dia dinidiniho ny lasa efa vita tairo hifoha
Ny tao BERONONO sy ANJANAHARY
Fa samy nahitàna fangirifiriana, izay tena marary

Tsy mino aho hoe ho vitan’ise, ny handrava fihavanana
Ka tandremo sao tanterahin’ise, lay teniko hoe :
“Ise natao hazo manga iankinana indray ity no lasa bararata nandroahan-kisoa”
Fa zovy moa no tsy ho solafaka raha nandia tany?

‘Zaho tsy manangantotohondry am’se
Na namboly ady, na nandrava fihavanana
Fa niaina tanaty fiainana tsotra efa fantatr’ise
Anio anefa averiko indray izao teniko izao hoe :

“Na inona zava-hiseho na ahoana fiankason’ny tany
Ny fantatro zandriko ise dia hijanona ho zandriko hatrany !”

R.JO 13/08/04





Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111