Sitraponareo (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SITRAPONAREO

Honjohonjon’izy irery
No miotra sy mitolona
Hanarenany ny fiainany,
Voa-dinitra tanteraka.
Fa nailikao izy
Mba hamantatra izay Rainy
Any an-tanin’olona any...
Tsy fantatrao tokoa mantsy
Ny ngidim –piainana zakainy,
Ka mirehareha ianao,
Toy ny Reny tsy niteraka !

Nefa avadiho ny lela
Ka todiho ny lalam –bita,
Fa taiza moa no nisy hoe :
Tia sy tiana hifankahita
Raha tsy efa sitrapony ?
Reny ianao ka mba jereo,
Fa tsy nofidiany anie
Ny ho tonga teto an –tany e !
Tsy mba nokasain’ny fony
Raha tsy sitra –ponareo !

Ny zanakao arỳ mijaly
Mikatsa –dray sy maty reraka,
Handihizan –dRenikely,
Nefa mahagaga ihany
Raha ho tony ianao atỳ
Toy ny Reny tsy niteraka
Toa tsy taitra velively.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDATRA Antananarivo
Ambatomainty, faha 17 Mey 2003.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1165 2
Mpakafy: sarondrahona - elysa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143