Tantara (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANTARA
Ho an'i MIANDRISOA (avy ao AMBOHIMANARINA) sy LOVA (Dadan'i FI )

Efa mba nilokaloka aho
Fa hanoratra tantara
Ho an'i BERONONONTSIKA;
Dia ataoko izany anio !

Ianareo mirahalahy,
Niara - niari -pijaliana
Teo an -tany fiadiako,
Niasa tamin'ny fo madio

Izay vita dia tantara!
fa na dia ny taranako aza
tsy maintsy amelako hafatra
Haneho ny zavatra tsy tazany :

"Fa efa nisy, hono, i FENO,
Nisy MIANDRISOA sy LOVA:
Izy telolahy ireo,
Niady ho an'ny Tanindrazany !!!

Efa mba niroso isika
Hanavotra an'i BERONONO
Tao anaty tevan -dalina;
Ka nilatsaka hofidizana

Nefa niantrana amam - basy
Tamin'izay rafozan -jamba
tsy nahalala ny aman -taona
Namoronana fiadiana.

Dia nisy, hono... nisy, hono,...
Hetahetanay tanora
Maty ho an'i BERONONO

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Taona 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
2464 2
Mpakafy: sarondrahona - Malalason
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152