Tarangana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARANGANA
Izaho mbola nino fa hoe hadalana
Ny naha –totoafo ny faminanian’
Ny olon –drehetra ;
Ka tsy nasiako dika !
Eto aho vao mihaiky
R’ilay nofofoiko ho andrin’
Ny fiainako mandrakizay,
Fa tsy hiaraka isika !
Tsy anjara intsony
Na iza hitsetra !

Fa nahoana anefa,
Nahoana loatra ity foko jambena
No navela niaritra zioga mangidy ?
Nodianao nangina !
Nahita maso aho vao vaky vava
Hanaiky tanteraka am –pahakiviana :
« Namono ahy ny foko fa diso safidy !!! »

Ianao kosa anefa mba omeko tsiny,
Satria tsy nitsotra ny zavatra marina
Ka nifamitaka, an –doha roa siny !
Aleo aho hionona mandrakizay,
Fa vita ny antsika !
Avelao ny foko,
Fa lalana diso iny narahiny iny.
Hatreo ny aminao
Fa aleo aho hisintaka !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
868 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146