Tokony (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKONY

Nefa laingalainga kosa
Ary izaho aloha tsy mino,
Raha ny maro taminao
No hahavatra hanadino
Ny fiarahantsika teto
Na ny sangy fotsiny aza !
Laingalainganao sakaiza
Raha ho fatinao ny anarako
Na aiza misy ahy, na aiza !

Fa nikiry hatramin’ny farany
‘lay sakaizanao mahery
Mba handrindra fihavanana !
Ary laingalainganao
Sy fanahy iniana tsy tsaroana
Raha ny momba ahy no ho very.
Fa andro iray tsy hampoizinao
Any aoriana kely any,
Ary tena hiaiky ianao :
Vao mifankahita isika
Dia ho fantatrao ny anarako
Sy ny lalana nombàny !

Tokony ho ao an –tsainao
Izay rehetra nifanaovana
Tamin’ireny lasa ireny
Fa ilain’ny tantara;
Ary ny fifamatorana
Saika tsy voavaha mihitsy
Sy ny resaka navoaka
Na ny endrikendrika nambara.
Ireny rehetrarehetra ireny
No tokony ho voasanao
Fa porofo sady teny…

Laingalainganao sakaiza
Raha ho hadinonao ny anarako
Na ho aiza koa ianao , na ho aiza !


SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1103 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114