Tokony atsikafona (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKONY ATSIKAFONA

Fa impiry marina
No tokony handefitra
Isika Malagasy e?
Hatrany am –piandohàna :
Toa ny vahoaka foana
No mangasihasy !
Toa ny vahoaka foana
No pentina sy tasy !
Dia ny vahoaka noana
No mbola iharam –basy !!!

Fa impiry handefitra ary
Isika Malagasy
Vao tena sahy hidrikina e ?
Fa isaky ny tolona :
Toa ny vahoaka foana
No mahazo loza !
Toa ny vahoaka foana
No atao rohifoza !
Dia ny vahoaka noana
No atsantsika ho kitoza !!!

Ary mba impiry
No tokony hohazaina
‘Reo FITONDRANA teto
ka tokony ho saziana :
Fa toa ny basy foana
No nandrobàny antsika !
Fa toa ny baomba foana
No nampisy rà nandriaka;
Dia miaramila moana
No mihomehy anao mikiaka !

Ka tokony atsikafona
Ny teva – nivarinana,
Fa efa antsika izao
Ny tena FAHAMARINANA
Ka tokony ho arovana
Hatrany an –tranomaizina :
Fatorana sy faizina !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In –TANAN-DAVA
--------
Rohy:
786 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.019