Tsy zaka (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ZAKA ( Ainga natopan’ilay tononkalon’i RADO hoe : REHEFA TIA IANAO)

Ekena nefa kosa
Vahotra ny saina ;
Fa fahoria –miavosa
No vatra hobedaina
Anaty samirery ?
Te –hihazona aho,
Saingy ritra ny hery !

Nangina hafiriana
Tsy nahavolana aho
Naniry azy azy ho tiana,
Sy niondana talaho ?
Fa tsy nety nionona !
Ka ny farany izy
Noezahako tononina !!!

“Tiako aloha izy iny e !
Ary nofinofiko
Ho ahy ny faniriany,
Satria mba notohofiko”

Ka izy tena tiana,
Fa tsy zaka kosa
Raha izao no mbola hangina !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
864 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152