Vaky bantsilana (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAKY BANTSILANA ( teo am-pihainoana ny vaovao nampitain’ny ACEEM RADIO avy any
TOLIARY ny Alahady maraina)

Mpitandro filaminana
Miantrana amam –basy,
Mandrahona tsy menatra !
Mamafy teny ratsy !
Manempotra arabe !
Maniboka ny fahitra !
Izany ve Sakaiza
No FOLOALINDAHY
Sy MANAMBONINAHITRA ?

Toa fahazaran –dratsy
Ny fandravàna tolona,
Fa lasa fanompàna
Sy fandripahana olona
Manerana ny NOSY!
Iaraha –mahita tsara !!!
Mampahatsiahy anao
Ny zava –misy indray
Ny tany TOLIARA

Mpandranitra ady an-trano
Manasanasa tanana,
Mirongo fiadiana !
Mandrahona vahoaka !
Mamotsifotsy tolona !
Manapa – pahefana !!!
Izany ve Sakaiza
No antsointsika hoe
Mpitondra Fanjakàna ?

‘Zay mihaza fitondràna
No mahay manoroka olona,
Fa izay mahazo seza :
Mpamotsifotsy tolona
Na iza izay, na iza;
Mpidaroka…Mpively

Toa mampandatsa tena
Ny nanariana asa
Nankeny ANALAKELY !!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
16 martsa 2003
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
802 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121