Vatofantsika (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VATOFANTSIKA

Hifankatia isika
Ka hifamarafara sy hifanafatrafara
Ary hifampitaiza !
Ataovy an –tsaina tsara izao lazaiko izao
Na aiza ianao, na ho aiza…
Ary tena hiaino :

Matoa ianao notiaviko
Dia laniko tanteraka sy masaky ny foko
Ka tiako, tena tiako !
Ary noho isika tsy maintsy hifampiteraka
Dia tano izao ho fefy,
Fa izao no fifaliako :

“Tandremonao ny havako
miditra ato an –trano;
Sao hailikilika,
Raha sendra mavomavo
Na mba sahirankirana,
Fa izaho koa taloha
Ohatr’ireny ihany :
Nitrosona sy lavo
Vao niezaka niarina
Sy mba nahita rirana.”

“Tandremonao ny namako
Sendra mba mamangy,
Fa sao dia anjoroina
Na fotsy izay , na manga;
Fadio sombinaiko
Ny havakava –bolo
Sy ny resaka saranga,
Fa sao dia hampiady”

Tsarovy tsara izay
Raha mihevitra ahy ho vady:
Tsarovy sombinaiko!!!

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA ( 033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
In – TANAN-DAVA
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
914 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104