Voi-mahatratra (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOI- MAHATRATRA

Mba laviko kosa ny fanaratsiana
Raha ny olona ambony
No kolokoloina
Satria manam –bola !
Dia ireny no asandratra hanjakazaka
Hanosy ny tany !
Fa ny efa ambany,
Soritana sady ozonina foana
Ho natao hiaritra sy hampijaliana

Mba laviko kosa ny fanambaniana
Raha ny olona ambany
No hamavomavoina;
Satria ve “MAHANTRA ?”
Dia ireny no haetry, hanjakazakàna
Tengenana vozona...
Tsy misy voaozona,
Fa na mihoso –potaka, na mihosom –bovoka:
Tandremo mitsipaka fianakaviana !

Fa ny ory amintsika, natao hiantràna;
Ary ianao MALAGASY dia manan –dalàna
Sy manam –pitaratra :
“Voi –mahatratra !”
Izany no trano atsimo sy avaratra.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57 )
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Ambatomainty, faha 08 Jona 2003
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1808 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159