Vonjeo (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VONJEO (Ho anao SOLOMBAVANY)

Soloy vava indray ireo vahoaka ireo
Fa namalan –kira ny olo – nofinidiny,
Izy efa hitako fa tofoka sy leo
Saingy diso lava mamery ny safidiny !

Iza moa no olona tsy efa nantenainy
Ary niandrandràny fanovàna matotra
Saingy toa nivaona tsy takatry ny sainy
Ny fitapatapaky ny tady nifamatotra !

Ka raha mba telinao, na sitraky ny fony
Dia raiso indray ny adidy hitondra ny hetahetany
Fa izay rehetra teo, vao tonga tany ambony
Dia samy nanadino ny fako nirehetany

Ka mba soloy vava ireo vahoaka ireo
Fa efa fara –idiny sy potiky ny dahalo
Very omby lava tsy sahy mampiaka –peo
Fa matimaty foana mamelona mpandalo !

Midina ianao any fa potika ny valany
Lany norobaina ireo zazavaviny any
Dodony ny lalàna fa tapaka ny lalany
Mangina andro vitsy dia mitaba indray ny tany

Tantaraiko tsara fa any izy izao
Mitsoaka andro atoandro, mandositra any an-tsaha
Tsy misy fitoniana ny fivelomany ao
Fa miafina malaso no anton –draharaha !

Ka mba soloy vava ny fahoriany aloha
Fa ela nijaliana tsy nisy sahy nijery
Asio lalàna matotra ho hitan’ny Filoha
Fa ohatry ny hoe vahoaka natao handeha irery !

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA (033 14 253 57)
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
--------
Rohy:
820 1
Mpakafy: sarondrahona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015