You are here: home > Vetso

Zaza ratsy taiza - SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA

ZAZA RATSY TAIZA

Diso ihany ianao
Nandroboka ny ankizy,
Hilona anaty harena;
Natao tsy orim -bola,
navela hiala nenina
Amin'izay rehetra tiany,
Navela ho afa -po !
Kinanjo izao ny farany !
Ny harenanao miha -ritra !
'Reo izay tonga taona
Tsy misy fahendrena
Fa tampony amin'ny ditra ;

Vao zaza folo taona
Dia tsisy fanajana
Fa mamotsifotsy olona:
zatra nihanta loatra sy zatra fahafahana ,
Zatra tsy voageja.
Nanjary baranahiny

'Zao ny zanakao
Malaza hatraiza, hatraiza
Fa "ZAZA RATSY TAIZA!"

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA - Antananarivo

Sokajy : fiainana

Hevitra mandeha

mitsoa (08/12/2012 15:53:51)

marna tsy azo lavina

mitsoa (08/12/2012 15:57:10)

marna tsy azo lavina

Hametraka hevitra

Midira aloha