Hery afa (sax sarengy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa nisy hery
Zay tsy aiko velively
Fa to afahafa

Nanosika ahy hilaza
Ary hanazava
Aanery ahy hitafa

Lay foko toa nangotraka
Zay ela tsy nisokatra
Tsy hita ho sakanana

Fa nitady lalana
Sy irika ivoahana
Ra vao nahita namana

Indryndra moa fa ilay
Niriany hatrizay
Dia , tsy iza fa ianao

Toa vetivety kely
Dia njay fa nahateny
Ny foko lasanao

ka nefa ra nivolana
Lay teny tsy voahomana
Dia nangina teo ny vavako

Fa zary lasa nenina
Zay tsy mba azo afenina
Nisoritra amin'ny tavako

Toa nihenahena
Sy nanongo tena
Raha naheno anao

Nilaza avy hatrany
Fa adinoy izany
F'iza za tsy tia anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
632 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sax sarengy
Nampiditra : sax16
Daty : 26/08/2016 12:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127