ADY LOVA ADY FITIA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ady Lova – Ady Fitia

Tokontany no antsika
Fa ny trano anareo

Ny fitia ivelany antsika
Ny ao anatiny anareo

Rehefa ao an-trano ianao dia azy
Rehefa ivelany dia ahy

Ravaky ny tokan-tranony
Fa kosa haingon-tokontaniko

Ianareo hafanain’ny herin’aratra
Isika hafanain’ny masoandro

Ianareo raha matory misalobona
Isika raha mihaona mifalihavanja

Ianareo raha miresaka miafinafina
Isika raha mikorana vokatry ny fo

Ianareo raha mihinana : sakafo
Isika raha mivoky : Fitia

Ianareo “roa” nefa mihibokiboka
Isika “roa” ihany fa malala-tsaina

Ianareo mifampizara ny manta sy ny masaka
Isika mifampizara izao tontolo izao

Koa raha misy azo raisina ny teniko
Raiso ihany

Koa raha misy azo tsakoina na kabariko
Atelemo ihany

Ny fonao haiko fa tsy ho voazara
Ka lovam-pitia sisa antenaiko

Ny tokantranonao fefy tokana
Fa ny ety ivelany nofefeko ho ahy

Koa diavolan-ko lava
Lalao mbola ho ela
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - Aingam-panahy
1367 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096