ANDROANY (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tohin'ny tononkalon'i Ryana hoe SAINGY TIANA

ANDROANY

Androany ianao no babo, sy milavo lefona
Fa ny ampitso mbola ho avy, K’ianao hiefonefona
Ka tsy hanaiky intsony, ireo fetra sy lalàna
Namerany anao tsy hivoaka ny tanàna

Androany ianao no resy, mahery ny fitia
Ka mbola tsy mihiratra fa saron’ilay fy
Fa rahampitso ianao tsy ho jamba intsony,
Rehefa tsapanao izay tena ao am-pony

Androany ianao malemy, ka tsy hamaly azy
Fa ilay kapony aza, nataonao vazivazy
Fa mbola hahery ianao, ary hahatsapa,
Fa tsy izy no mibaiko, na hoe tompon’ny lapa

Androany ianao badenina, sy jenjin’ny fitia
Ka tsy hahalala , ny havanana sy havia
Fa rehefa taitra ianao, hihoaranao ilay fefy,
Ka hitsipahanao ireo zavatra voarefy

Raha tena tia ianao, aza avela hanjaka
Sy handidy irery izy, fa miaraha-mamaka
Sy mandinidinika, ireo mety sy tsy mety
Izay ianareo roa , vao manao ny fety


Raha tena tia ianao, ny ampitso no banjino
Fa aza variana loatra, amin’ilay “tiako fa fihino”
Ho anatry ny ampitso , izay ekenao anio
Afo ny fitia, izay no tadidio
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1209 0
Hevitra mandeha
Ryana ( 02/03/2007 20:47)
"EFA SAMBATRA IZY..."

"Efa sambatra izy, efa nanadino,
Efa tsy tsaroany ny vita sy ny lasa;
Efa fo vao no mitempo sady mino,
Efa lasy hafa no kinendry sy kinasa...

"Efa anarana hafa no tsy afaka am-bavany,
Raha misy ny manjo, na tojo hafaliana;
Efa tsikitsiky no mandravaka ny tavany,
Satria tsy iray fa roa, salanitra fa tiana!

"Efa nofy hafa no akariny ny hariva,
Endrika vaovao no mameno izato sainy;
Hira kanto tsy fandre no kaloiny ivaiva,
Efa sambatra izy re, nihavao mbamin'ny ainy!"

...

Izay no faniriako hoe tohin'ny tantarako:
"Efa sambatra izy na tsy eo aza ianao!"
Kanefa hatrizao, tsy vatra hoborahiko,
Mbola faly aho mandre na dia hoe sombim-piainanao!

Ryana
(02/03/07)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151