You are here: home > Vetso

AZA GAGA - SCOTLANDYARD

AZA GAGA

aza gaga na variana
raha toa ianao tsaroako lava
tsy fidina aho ange ry tiana
fa satriko hifanatri-tava

ary ilay aingam-panahy
enti-manoratra ho anao
dia fientanan'ilay Tsiahy
rehefa mahatsiaro anao

ny ankoatr'izany moa
dia tsy afenina anao
fa fitiavana sy fo
miara-mitempo aminao

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

Soarilala (28/04/2010 14:43:32)

Raha tena tia tokoa ve moa dia hahagaga

Hametraka hevitra

Midira aloha