You are here: home > Vetso

. . . DIA . . . - SCOTLANDYARD

... Dia . . .


Dia nantsoiko ianao ora iray mahery
Dia nasaiko namaky ary koa nijery
Ireo angonangon-teniko, ireo rangondragon-tanako
Ireo vetso tononkalo sy soratra mba namako


Dia teo isika roa, niresaka tsy nihafa
Nampiady karajia sy nitafatafa
Dia avy eo ianao namaky, tamim-peo milanto
Ireo kanto mba voarariko ka vao mainka kanto


Dia novakianao ho ahy ireo soratro ho santatra
Ka tan-tseratsera isika nifamantatra
Ka ireo tam-poko lalina, Voaafina voatakona
Naborakao indray, ka tonga aho dia ankona


Dia rahoviana indray, no hiresaka hivolana
Ny lalao mbola ho ela, ho lava ny diavolana
Ka ho tohizantsika an-tarobia indray
Ireo dinidinintsika manomboka mahamay.

Hametraka hevitra

Midira aloha