DITRATSIKA (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DITRATSIKA

Antsoiko sy antsaiko, izany anaranao
Kaloiko sy angolaiko, izany fiantso anao

Lalaoviko safoiko,ny lamosinao
laingoiko sy tsongoiko, ny nofon-tratranao

Hazoniko, fihiniko, ilay vatanao
ny molotro ankiniko, amin'ny tendanao

Ataoko izay tianao, sady ren'ny aiko
Ataovy izao sy izao ; hoy ianao mibaiko

Dia iny ianao kendaiko, sady koa sintoniko,
atosiko, viraiko, hontsoniko, tazoniko,

Ny vatanao idirako, toy ilay tianao,
aodiko, aorirako, ka ankafizinao,

Ny masonao mikimpy, sady maka fy
ny vatanao manimpy , mivoky ilay fitia

Bedaiko sy bataiko, ny fenao mangovitra,
fatorako, gejaiko, tsy hihetsika hihovitra,

ilay feonao mikiaka, tsy vonjy ny antsoiny
ilay antsonao migiaka, milaza ny ao am-pony

Anaty hatsembohana, kotsa nefa ritra
ka kiaka fiombonana no manapitra ilay ditra

ilay fifalianao sambatra, toy ny tsy eto an-tany,
f'izaho sy ianao mitambatra, ny fiainan-tena mamy

mifampijery isika, sady mipy maso
mitsiky ianao sariaka, izaho lali-maso
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1514 2
Mpakafy: volana1 - ledada
Hevitra mandeha
vetsoko ( 07/06/2007 22:48)
mampatsiahy ahy ireo ditrako ianao izany
scotlandyard ( 08/06/2007 19:50)
zany an !!! aiza !
Ryana ( 09/06/2007 19:48)
Mahery ianao ê!
volana1 ( 14/06/2007 08:44)
Tena azoko an-tsaina tsara sy ao amin'ny ilako azy ny filazanao azy, zao ihany io tononkalonao io dia indramiko alefako any amin'ilay malalako !
miela ( 21/06/2007 23:04)
pao-tsatroka e!tonga de azoko antsaina mihitsy ny zava-mitranga rehetra voatantara tao
nyeja ( 06/07/2007 15:57)
Fa tena efa sahisahy tokoa ilay tononkalo a, mba hanadrana aho raha mahavita tahaka io asa aloha e !
zakilinina ( 18/07/2007 19:35)
Sao dia mba "DITRANTSIKA" aloha no tokony ho tsipelina. Diniho kely ange !
tonnyy ( 11/11/2007 18:23)
tena maditra ka!mety hahatohina ray aman - dreninay.ra miampy sary mihetsika ty vao maika tsara e! six e!
Soarilala ( 17/07/2010 14:48)
Hafa kely indray ilay ditra an! Fa maninona moa no ditra raha toa ka mpifankatia sa... fitia voarara a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214