FIRY TAONA MOA IZAY ? (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Firy taona moa izay ?

Isika roa no hihaona
Tsy mba teny am-pamoloana
Na hoe antony mba tsara
No nanombohana tantara

Firy taona moa izay ?

Ilay antsonao an-tariby
Tsara resaka ery
Efa ora roa mahery
Nanomboka fangalam-piery

Firy taona moa izay ?

Ilay isika nifanaraka
Am-po an-tsaina tsy nisaraka
Na dia tsy nifanarahana
Hoe hatraiza ny fiarahana

Firy taona moa izay ?

Ilay isika roa irery
Mitokan-toerana miery
Fa fantatra fa voarara
Vao niandoha ilay tantara

Eny efa firy taona izao ?

Isao ange dia mba lazao
Ary mbola ampiako izao :
“Hitombo ireo hatrany hatrany
raha mbola tany koa ny tany “
--------
Rohy:
991 0
Hevitra mandeha
salegy ( 11/04/2006 17:04)
mahafinaritra tsapa hoe fianana andavan'andro misaotra dia mazotoa
scotlandyard ( 14/04/2006 06:48)
misaotra salegy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141