You are here: home > Vetso

HAHATSIAROVAKO ANAO - SCOTLANDYARD

Ireo tsikitsikinao,
ireo sangisangintsika,
famihinako anao,
rehefa mangatsiaka
...hahatsiarovako anao...

Ireo fosa adaladala,
sy resabe fanao
fanontany te-hahalala
an'izao sy izao
... hanembonako anao...

Ireo tsiambaratelonao
nozarainao tamiko
ireo samirerinao
mamiko dia mamiko,
... hahatiahivako anao ...

Ireo fiarahantsika
hariva sy maraina
ireo rehetra fihaonantsika
ry tiana sy lalaina
... izaho halahelo anao ...

Hevitra mandeha

Soarilala (11/04/2011 23:45:21)

Ireo rehetra ireo
...no tsy hahafoizako anao...

Hametraka hevitra

Midira aloha