HO AVY HONO IANAO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AVY HONO IANAO

Ho avy hono ianao
tsy hoe hitsidika ahy, na hoe mba nahatsiahy
fa hiala voly kely, fa toa tsy namely,
ilay mariazy izay natao, herintaona izao

Ho avy hono ianao,
fa te hiova lasy, leo ilay saina gasy,
feno fifosana, ka tsy mahatamana
ireo fiteny sy filaza , hoe aiza re ilay zaza

Ho avy hono ianao
fa leo resaka rafozana, tsaho miely fivalozana,
tofoka honohono, sy ompa tsara fono
fihatsarana vela-tsihy, ka te hanary dia

Ho avy hono ianao,
dia tongava soa,fa raisiko amin'ny fo
dia tongava tsara, f'izaho tsy hikafara
dia tongava izany, izaho tsy aiza f'eto ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1297 0
Hevitra mandeha
Ryana ( 08/11/2007 21:47)
Misy soratsoratro iray afaka atao tohin'ity tononkalonao ity ry Scotlandyard:

RAHA HANDALO ATY IANAO…

Raha handalo aty ianao,
Tsy akory hoe hitoetra;
Fa hiserana, handao,
Ny ora hihaonana voafetra.

Azonao an-tsaina, inoako,
Ny hasambarana andrandraiko;
Nefa marefo ny finoako,
Manenjika ahy koa ny saiko!

Sao mantsy ho fahoriana
No hameno izato fony;
Tebiteby, fanahiana,
Ahiahy tsy hitony…

Sao ho zary endrinkendrika
No hiandry ny fiverenanao:
Ny fandalovanao? Tsy mendrika,
Tany fady no ombanao!

Sao ho zary disadisa
Ny ho avy sy ny ampitsonao;
Sotasota, kisakisa,
Filan’ady tsotr’izao…

Sao ho maloka ny endriny
Ary izy koa himaona;
Fa toa mikoro izay kinendriny,
Toa ho foana… babangoana!

Ka raha handalo aty ianao…
Aoka re tsy mba ho tsiniko
Raha saraka aman-teny aho;
Ny masonao no hany hobanjiniko!

Raha handalo aty ianao…

Ryana
(01/07/07)
pissoa ( 09/11/2007 14:29)
Samy Kanto !

Ianareo mianadahy mahay mifamaly tononkalo mihitsy a. Mazotoa hatrany.

Pissoa
Miarantsoa ( 09/11/2007 14:56)
Ity koa misy tonkalo somary masitsiaka azo atao tohiny

(...)
lava lotra izany
Tsy hoe manihany
Fa fadio tena fadio
ny mimpody aty anio.
Fadio koa toy izany
Ny any aaoriana any

Izao re raha adikako
Tongava ianao raha manina
Fa miandry anao ny alikako.
Tandremo sao dde fanina.
tonnyy ( 11/11/2007 18:07)
mafy tokoa zany hevitrao zany ry Mirantsoa,inona no idiran'ny alikanareo amzany sa niainanao ve le zvt d zava-misy mihitsy ka mahatonga anao masika b toy izao
tiff ( 14/03/2009 13:09)
samy henjana doly nareo zany
scotlandyard ( 24/03/2009 09:37)
henjana ahoana tiff an
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103