HOY IANAO (SCOTLANDYARD)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoy ianao . . .
Aleo hilamina amin'izay ny amintsika
fa leo ianao, mamitaka,mifika
leo ianao mahita azy mipitra
f'izy "hono" hendry fa ianao maditra

Hoy ianao . . .
Aleo isika tsy miaraka intsony,
aleo ny fo tsy hisamboara fa hitony
fa leo ianao ilay mandaingalainga
rehefa injay hivoaka sy hiainga

Hoy ianao . . .
Aleo ilay tantarantsika tsy hitohy
k'isika roa no hiezaka hamoy
aleo hakatona amin'izay ny fonon-teny
aleo hivalona any ireny ditra ireny

Hoy ianao . . .
Aleo ho rava izany rehetra izany
aleo hilevina hototofantsika tany
aleo isika ho mpinamana madio
ary izany dia hatomboka anio


. . . mbola hitohy . . .
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1053 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111